Ny Ainga

NY AINGA PARTIE 1

tononkira malagasy, tarika ny ainga, parole de chanson

Malalako tsy foiko Fo mitomany ANKINIKO Dadazily FITIAVAKO MASIAKA FANANTENANA
Toa mangingina ety raha tsy eo ianao malala
toa mamanala akia nilaozanao
fa malahelo mamelovelo
manina anao aho manina anao!

Ny lalan-tsika ity efe safidy io ry tiana
Lalam-pitia anie temerin-tsedra
tsy hitarainana f'izay no fianana
manina anao aho manina anao...

Telecharger le parole
Mitomany mangina io maraina io ilay malalanao
Vitanao tsotra izao hiova sy handao
F\'ianao nahita olom-baovao manja noho izy
Fa ianao no efa tiany sady niafiany
Ireny bedibedy tsy nolazainy anao
Mosoara tokana iny no ondana hatoriany
Kotsan-dranomaso,fa tomany nilaozanao...

Telecharger le parole
Ray ô manirery anie aho miandrandra anao mangina
Mafy iny fiainam-pitiavako niainako iny
Zay nantenaiko ratra ao am-po
Dia vavaka irery tomany no anjarako

Tompo ô Adriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko
Andriamanitra ô ankiniko Aminao ny fiainako
Andriamanitra ô atolotro anao ny ranomasoko,...

Telecharger le parole
Ouh ! Ouh! Ouh!

Eh! eh!eh!
Veloma ny lasa letsy ry zalahy a!

Soara soara soara soara e e e!
Antitra vao be ny tanora
Antitra letsy ’ty ka antitra e
Antitra letsy Dadazily a x 2...

Telecharger le parole
FITIAVAKO MASIAKA

Hendre tsara malala.
Any an-tany tsy hitako any.
Matoky anao aho!

O !o !o !o !o !
Masiaka ny fitiavako anao.
O! O! O! O! O!
Masiaka ny fitiavako anao....

Telecharger le parole
Tsy hoe tsy fitia no nanainga anay
Hamoy ireo tiana sy ny hafaliana an-tany
Tsarovy fa misy ny avo noho ireo
Dia ilay zato heny ety sy ny any am-paradisa

Tozoy hatrany ny lalanao
Mba ho zary hafaliana ooooo an an an
Lanjao ny fijaliana
Iareto am-pifaliana...

Telecharger le parole

NY AINGA PARTIE 2

FANTATRAO FIAINAM-BAOVAO FITIAVANA MILAY FO TOROTORO Toky Fitia Ny evanjeliko
Refrain :Fantatrao fa mbola zaza aho
Ka nahoana no iarahanao
Fantatrao (bis)
Ka nahoana no fitahinao

Nanodoka ny hoe : " TIAKO IANAO "
Zay arahan’ ny fampanantenana
Mambabo ireo resany sy ireo fanomezany
Fanimbana anefa no Katsahiny....

Telecharger le parole
Ianao ilay olombelona marefo
Ny lalanao mamaky haizim-pito
Fa miandry anao ilay fahazavana
Io ny Tompo miandry anao ka mitsangana
Izao tontolo izao efa jambena
Voagajen-drendrarendra sy harena
Ianao dia ianao no antenainy ny fiainanao miova no ilainy

Ny fitiavany tsy miova no niantsoany anao izao
Ny ra nalatsany no nanasany ny fonao...

Telecharger le parole
Tsy moramora ny mitia sy miaraka
Mamy tokoa, nefa koa tena mangidy
Fa rehefa tia, mitiava tsy hisaraka
Aza mandao, mahatantesa mitia

Hafa ny anio tsy tahaka ny omaly
Ilay tsikinao, mety hiova tomany,...

Telecharger le parole
Fo torotoro, ranomasom-pivalozana,
inty, mibaboka aminao, Tompo ô !
Satria nania, fa ninia
Tsy hitoetra eo akaikinao !
Mba todiho ny indrafonao

1 Ireny lalana sy fahamarinanao
Tsy nojereko, fa naleoko dia nikipy ô.,...

Telecharger le parole
Toky Fitia (Asnah) (Ny Ainga)

Na ho jaly na ho tomany
No ho fiainako eto an-tany
Tsy ho kivy fa safidy
Na ho tojo izay mangidy
Na tsy hisy ny harena
Tsy hanary an-katerena
Fa izany no porofon’ny fitiavako anao,....

Telecharger le parole
Ianareo no mpianatro
Irahako eny an-dalana
Omeko fahamarinana
Mba ho lalana amin’ny fiainana
Indrisy ny tany mbola maizina hun
Maizina ny hafatro

Izao tsy nilaza hoe « hitondra fahazavana inareo »
Na hoe« tondray fanasina ny olombelona avotako »
Fa izao oh ” nareo mihintsy no endriko na reo no fanasina”
Nareo no fanasina,...

Telecharger le parole

1 commentaire: