Belahy

parole de chanson malagasy, belahy

Belahy PARTIE 1

Kristianina Zara Ikalamara MAMAY ASA IHANY.. Politika
Eny @ dabilio voalohany aho no hipetraka @ alahady
Hifanatrika izahay sy i Da’ Mopra tonga dia mazava ho azy
Na impolo hanao rakitra kala iray efa nataoko majy

Isaky ny maka toerana any aoriana aho dia misy devoly manafika
Voamasoko mipelipelika, ny tenako tsy mety matotra
Isan’andro aho toa mandaingalainga, laniko hatramin’ny rakitra

Aza hiresahana resak'antokom-pinoana aho fa mivadika biby masiaka
Raha hiresaka dia baiboly aseseho hatrany @ Lioka
F’i Jesosy efa nanao batisa, fivavahana tsy politika

Mitombo isan’andro, mameno tanàna karazany maro ny fivavahanay aty
Ka samy mandoka ny azy dia milaza fa @ lé OUI
N’iza² izay hanontaniana dia manompo an’i KIRISTY!!

Bridge
Noteteziko avokoa eglizy be dia be
Misy aza sahy miteny “RABELAHY, HONO, TOA MAMPIHOMEHY”
Ny fosafosa fadio
Mivavaha @ fo madio
F’izay tiako ihany io
Na divay na kominio,...

Telecharger le parole
Efa ela no nanitikitika maha-te hikitika
Mipelipelika, mampieritreritra
Mahataratara ny fihetsik’i Zara
Raha misy manantona tsy te halala
Izay tsy mahatanty aza miantso hoe malala
Torahany tsiky dia lasa izy miala

Ref: Zara! Zara a!!
Zara! Zara a!

Ndeha hanaraka an-droky
Izay vita rasipa fa aza hodiana tsy hita
Amin’izato fihetsika manaitaitra sy maneho bika
Tsikitsiky no atolotro, roky fa tiako
Ny sisa dia ny faniriako
Hampiakatra an-droky, f’iroky no tiako
Iroky no tiako!!
Aza be sangisangy, mampihesona bandy
Izaho efa sasa-miandry
Tsy tiako ny resaka mamilafila sy mavandivandy
Tsà mba tiako ny resaka allez- retour,
Manao patata- patati, makatsy sy àry
Raha ohatra isika ka hiara-dia e!!,...

Telecharger le parole
Ô lasa ihany Ikalamara na dia efa noraràna fa tsy tàna
Lasa namonjy irony hotely firevena trano be mijoalajoala!

Isan-kariva vao mirava ny sekoly
Dia mandeha miala voly
Ireo vahiny avy any am-pita no iarahana
Ary mifanolosolo
Ny faniriany hatramin'izay hijangajanga na hanaraka vazaha
Efa nahazo toky mamy efa komana fa ho entin-dry zalahy

Tonga lafatra ny revy sady bonne ny kôzy
Ka avy hatrany dia nidoraka fitiavana eo anilan'ireo vazaha
Orokoroka misesy, ranomanitra midofaka
Fihetsika nanaitr'ilay mpamily tao anaty picklah
Ilay mpamily mahazatra sy maharaka ny affaire
Ka avy hatrany dia hotely Colbert
Hafaliana ny an'Ikala fa miady be ny baolina
Rahampitso angamba mety Hilton

Ny progany dia miaraka @ lera
Hilton vao Espace Dera
Ilay mpamily mahazo taratasy manabara izay aleha!!,...

Telecharger le parole
1-Misavorovoro tsy mety milamina ity GASIKARA
Mararirary tsy mety salàma ka manalasàla
marasily, sivily ,bôdega,prà te hitondra volant
te hifaninana hitondra ny tany avokoa ry zalahy
Izay voky dia lasa satria efa tafita elaela tsy hita
mihainohaino fifidianana ho avy izy dia mitsoriaka
mametaka afisy, mamory vahoaka ary mandresy lahatra
ny tsipy kely sy ny tapi-maso tsy mety mitsahatra
ho ataoko ny atsy ho vitaiko ny aroa
ka tsy hita izay marina
ny atsy sy aroa mbola tsy misy vita ny aroa no takarina
Izahay raha miteny tsy hoe mitsikera na koa mankàhala
fa efa leon’ny fitaka sy toky mamy fampanantenàna

Nataoko ihany ny hoe tsy hiteny kanefa milentika tsy tafavoaka
ilay Gasikara tsy an’olon-drery fa ny fahefàna dia ho an’ny vahoaka
Ny olom-bitsy no manjakazàka mandravarava sy maméla ratra
mpiray petsapetsa manao kômberaka
mitehatehaka mitoto helaka

tsy misy intsony ny fanantenana
mimenomenona ny iray tanàna
fampanantenàna tsy misy tanteraka
Ambatobevohoka tsy mety
miteraka, mamay,....

Telecharger le parole
1-Dia diso ve ny tenako raha toa ka hamàky taratasy hita latsaka omaly, teny ILAFY(2)
Ny olona nanoratra tsy fantatra na iza ?
fa misy adressy hafahafa avy any Andriba
ka henoy e
Mitobaka ny fako hatreny ambonin’ ny arabé, milahatra ny afisy misy anaran-deputé
Mirehitra ny ala mandrava ny valàla
Mitombo ny mpitsindroka miha betsaka ny adàla ...ASA IHANY

Nandalo ilay minisitra tsy hita fa nisitrika
voasakana ny vam izay tsy ao anaty lisitra
izy anie tsy mpindrana fa tompon’ arabé
arahin-kortézy sy nitsoka sifflé, raha mandeha.
Nahatsiarovako lalao malàza t@ môndialy
kara-mena kara-mavo sifflé naseho an-tsary
miharihary
Mba rahoviana i Gasikara vao mibàta ny amboara?
Izay tonga dia manjavona na ny FF na dôllara
Tandremonao razandry
tandremo mandrimandry
tandremo lesy zandry aza mety ambara vandy
tandremo lesy zandry ka tandremo.....

2-Navadika ny pejy ka dia toa nampitebiteby
natompiko ny masoko ka avy hatrany dia grévy ,ny eo ambony
Nasiany sarin’olona mahia sy botrefona
Andrianampoinimerina manàmbana @ lefona aiaia,...

Telecharger le parole
Lasa lavitra ny saina fa misy te hisaratsaraka
I Afghanistan ve no alaintsika tahaka ?
Misy faly sy mitsiky ary koa mikakakaka
Fa I Madagasikara, hono, ndeha ho atao toy ny any Irak

Angamba raha ny Malagasy no mahavita Tank dia mandripandripaka tsy ank’hijanona
Vao mahavita baomba kely artisanale mampihorohoro andro aman’alina
Faly ny Al Qaïda fa ny Malagasy no ataony ho vazy
Nolazainy fa “çà va" fa amin’ilay fanaovan’azy

Izaho aloha ‘ndeha hitsoaka
Fa matahotra tsipoapoaka
Raha malahelo ahy indry
Izaho tsy any Ambanidia
Aza mba mipipapipa
Fa tena mahasoson-driba
Aoka aloha mba hijanona
Ilay baomba artisanale
Izay indry vao miantso
Ny somaiso alefaso,...

Telecharger le parole

BELAHY PARTIE 2

Tafita Bonne chance HOPITALIM-BAHOAKA RENIVOHITRA
Tadidiko ny taloha tamin’izahay roa ni-rendez-vous
Isaky ny alahady dia mibalady any Ambohitsoa
Taloha izy dia sôlafa fony izahay nifampisipa
Ankehitriny efa lasalasa manao fiainana avy any am-pita
Eeeeiiiiaa !!!

Maraina izy raha mivoaka mandeha Peugeot 505
Ireo akama mahita an’azy mangata-maso miraikaraika
Nihodina vetivety iny indray Mercedes
Ny hariva dia tsy manaiky fa miova vam R25
Eeeeeiiia!!

Raha izy no miantsena miresaresa ilay Peugeot
Voatety ry Market, Géant Score ry Champion
Aty ary tsy olana ny lasantsy
Aty ary, fa inona ny tsy mba ampy ?
Ananany trano vato sy vola be teny amin’ny banky
Ny azy efa kilalao ny mirozirozy makany an-dafy
Indrindra fa taom-baovao dia lasa lavitra raha mivoaka
Telo taona mifanesy izy vao miainga dia any Europe,....

Telecharger le parole
Tena babo tokoa ny foko vao nahita an-droky
Tsy nahita ny lalan’kombana saiky hidofotra t@ tolana
Ny vavako tsy nahatana fa avy hatrany dia niantso hoe
Malala !
Dia niaraka isika ka nanjary nifankatia
Isan’andro dia miara-dia, mifamihina rehefa handeha hody
Dia nanao revy totozy
Fa satria mbola tsisy papoozy

Ary isika tsy zatra nihafy satria nanam-bola tahirim-banky
T@ izany rehefa mirozy mandeha picklahy fa tsy ligne 11
Tonga hatrany amin’ny restaurant rehefa kamo mahandro babà
Dia nihinana sady nisotro
Tsy nisy nivavaka t@ tompo

Bridge :Ankehitriny ny zaza efa 5 fa aza kizitina
Dia hiakatra 6 indray io satria efa bikina
Ny antsika ny tahiry kely efa foana sy kikina
Ianao mbola te hi-style andeha bikina,...

Telecharger le parole
1-Trano natao hitsaboana marary dia mizara 2 ary miharihary
nasiana sokajiny ambony sy ambany fa ny an’ny vahoaka dia tsy zarizary .
Isika rehetra efa samy narary satria ny olombelona voa-janahary
mahafantatra tsara ny momba an’izany na dia hoe tsy miditra ny hôpitaly (2 fois)

Zara raha misy fandriana hatoriana
ny fanafody tsy misy fa mbola vidiana
vao maika misosoka ny fahoriana
efa kôpy radoko fa mody mangina
dokotera nianatra momba ny aretina
miakanjo fotsy madio tsisy pentina
voatendry hiasa @ irony hôpitaly hopitalim-bahoaka
hopitaly marary mijaly
fanafody tsy misy fitaovana tsy ampy
ny atsy marary radoko efa kivy efa te hi stansa
mbola mitatitra indray ny ambulance

Hôpitalim-bahoaka a (2)
hôpitalim-bahoaka tsy hidiran’ny laibany misy apoaka
hôpitalim-bahoaka a(2)
hôpitalim-bahoaka tsy rariny loatra raha toa tsy mivoatra
ho an’iza ilay tonga lafatra sy tena mivoatra
mbà rahoviana vao hisy ilay fitoviana sa rehefa any an-koatra
Andriamanitra no tompon’ny aina ary koa nanamboatra
fa izay rehetra voaantso na iza na iza tsy afaka hitsoaka.,...

Telecharger le parole
1-Mangata-dàlana fa andeha hiakatra ho any an-drenivohitra ô.
Avy any @ dezaka no fiaviako voadidin’ireo tendrom-bohitra ô
Efa hatry ny ela no efa naniry hiakatra hijery an’izany an!
saingy ny saran-dàlana no mbola tsy ampy satria misondrotra hatrany an

Nandalo teo Anosibe ny fiara ,fotaka maimbo tsy mahate hiala
Raha tany aminay io natao tanim-bary hamboléna hitsinjovana ny andro mosary
Fotaka loto arabe sy bazary no mifanakaiky ary miharihary
Nalefa ny tatitra tsisy namaly
gaga ny pokona taitra ny tary oooo

FIV:
Hay ve tahak’izany no an-drenivohitra
hay ve eny an-tsena aza mihoso-potaka
Hay ve tahak’izany ny aty any @ ville
hay ve ny sarety aza mbà mi-style.

ANTANANARIVO no natao môdely
eny Anosy aza nasiana anjely
avy any Andravoahangy aho no nankeny Isotry
indray andro mbà nirenireny
rakotra fotaka hatramin’ny kiraro tafiditra hatramin’ny rano,...

Telecharger le parole

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire