Njakatiana

parole de chanson malagasy, njakatiana

NJAKATIANA PARTIE 2

Resinao Zoky Hiangavy farany Mbola hafa 'lay toera-mamy Anaro aho
tsy andoky intsony aho
tsy hiteny firy aho
fa zay hitako hatrizay
lazaiko ho teny iray
izaho koa efa may

fa babonao tokoa
ity fo naniry soa
ka mba aza hodianao
hodianao tsy hay fa sao
ho lasa adala eo aho ...

Telecharger le parole
O Zoky o
Raha toa ka hanabe
Hanoro sy hanitsy
Fahalalana anie
Tsy ho an'olom-bitsy e
Toroy fahendrena
Tsy hirotoroto
Ka hitondra tena
Tsy ho jiolahim-boto

Zokinay, Zokinay
Ianao fitaratra ho anay
Zokinay zokinay
Andry sady tokinay ,...

Telecharger le parole
Mandà be ny saiko
Tsy tony ny foko
Tsy tsapako akory
ity maso tsy mahita tory
Fa ianao foana no sary mameno, mibahana ao an-doha
Aza ilaozana izany ho'aho 'zaho fa tena voa,
voa tokoa

Dia ataoko ahoana
ny halahelo foana ?
Ny saiko tsy mino
hoe ny tenako hahavita hanadino.
Mora aminao tokoa ny milaza hoe "'ndao hisaraka"
Aza ilaozana izany ho'aho izaho fa
tia anao fatratra. ,...

Telecharger le parole
Satriko raha hifampitaona indray anio
Nandrasako raha io fiarahana io
Zarako aza raha misy hanalana asa loha
hidobohan'ny fo
Efa voly indray ny tena ka dia may
ny hihaona indray aiza ialahy

Inty aho vonona hanaraka anareo ka tsy ho leo
F'efa mangetaheta rahateo.
Andao indray hanao mozika izay nampiray hatrizay
Handresy ireo adim-piainana efa mankaleo
'Zay gadona atao hanome fifaliana vaovao
Ny melodia kosa indray hampiaina ny fo sy fanahy,....

Telecharger le parole
Toerana iray
Dia tsotra kely izay
Nampiray ka tsaroana indray

Fitiavana iray
Niseho tamin’izay
Mitamberina an-tsaina indray

Lasa paradisa teo
Ilay toerana kely
Niova lapa tampoka teo
‘Reo trano kely,...

Telecharger le parole
Efa niezahako ny tsy hahasarika ahy
Hitsiriritra anao
Nefa ny foko mitady handresy ahy rehefa eo ianao
Nihafiako koa ny tsy hibanjina foana
Hanopy maso anao
Fa misy hery maimai-poana
Anaty masonao

Nefa izaho tsy afaka ny hanan-droa
oh hey eh oh ouh oh
Miady ny saiko
Tena mahavaky ny loha,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 2

Andao indray Aoka moa Avelao aho hitia Tsisy vaovao Leferiko Mitia
Satriko raha hifampitaona indray anio
Nandrasako raha io fiarahana io
Zarako aza raha misy hanalana asa loha
hidobohan'ny fo
Efa voly indray ny tena ka dia may
ny hihaona indray aiza ialahy

Inty aho vonona hanaraka anareo ka tsy ho leo
F'efa mangetaheta rahateo.,....

Telecharger le parole
Ianao izay nanaiky ahy
Fa tianao aho miangaly mozika
Tato afara toa voarara
Antsotsa hay no hita
Manahy ianao sao lasa be mpitia aho
Ka feranao tsy hihira

Nihaonantsika dia mozika
ka aza ariana ilay nampifakatia
Raha ny fety no voafefy toa tsy mety ny aty
Ny hira no efa niainako hatrizay
Meteza ianao hatoky ahy,...

Telecharger le parole
Raha vao nahita anao
Toa tsy nisy intsony teo 'zao tontolo izao
Babo avy hatrany
Tsy te-hahalala izay miandry
F'aleo aho, aleo aloha aho hitia

Ianao toa niahiahy
Aza asesikao izay momba ahy
Fa fantaro kely aloha 'ty fo adala tokoa
K'aleo aho, aleo aloha aho hitia ... anao.,...

Telecharger le parole
Elaela izay isika tsy nifankahita
Fitadiavana tsy mety vita
Fa mitady anao ny tontolo
Miandry anao hikolokolo

Elaela marina tsy nifankahita
Ataoko akory fa izay ty fiainantsika
Tsy maintsy mitady fa mba te ho tafita
Tsy hoe manalino fa sahira,...

Telecharger le parole
ianao ilay tsy tia ahy
ianao ilay mankahala ahy
ianao ilay nanmbany ahy
tsy mampaninona ahy

zao ilay nitory ilay fitia
zao anefa mba tena tia
notsenainao vatravatra
tsy mampaninona ahy akia,....

Telecharger le parole
tsy tsapanao tokoa moa
ny ato anatiko ato
tsy haiko ko,tsy fantatro
fa marary ahy ny ato
ianao efa nitia
ny hafa tapitroatra
malalaka o!

izaho mitia
misento tô m m m
ra fotoana kely
tsy maha eo anao
toa very , malemy,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 3

Ainagam-po Hira kely Toy ny vao omaly Aza manitsaka Mpankafy Saro-piaro
(I) Olombelona ianao
Vaary hitempon'ny fo
Hakipio ny masonao
Hisaina indray ireo teo aloha

FIV: Mamy anie izany
Resy ny tomany
Teny mamy hatrany
Safosafo tsy lany
Nankaiza izao izany ?,....

Telecharger le parole
Hira tsotra, no atolotro ho anao
Tsotra satria, zay no haiko atao
Hira kely no mba vitako
Fa dia raiso fa vokatry ny fo

Faly aho, raha sitrakao
Ny tsy handà, fa hihaino azy ianao
Na dia fotoana fohy
No azonao afohy
Satriko aza moa, raha mba isika roa
No hiaraka andihy, azy koa,...

Telecharger le parole
Endrey, mampientana ny fo
Ny diantsika roa ...
Naharitra tokoa !
Endrey, ao antsaiko zao
Fa io lay endrikao
Mbola mamiko hatrizao

Rehefa fetin'ny mpifankatia
Ianao mamiratra
Toa fararanon'ny fitia
Ka dia hisarika ahy hampatsiahy
Ilay voaloham-pitia indray
'lay fontsika vao nifandray
Tena mamy izay ...,...

Telecharger le parole
Raha momba ilay resakao
Dia tsy hoe faly ny hanohitra ihany
Fa dia vahotra anie aho amin’izany
Raha ny ao an-tsaina indray
Tsy hamadika ilay notiavinao aho
An an an
Fa izy anie
Fa izy anie no efa namako hatrizay

Nahoana loatra ary ianao
No mitady hanitsaka azy ,...

Telecharger le parole
Raha vao mandre ireo hiranao aho
dia mientana foana ’ty foko
reo lazainao reo zay veintsoinao
dia tontolon’ny fiainako
ianao moa tsy mba mahafantatra ahy
zany anefa tsy hahasakana ahytsy ho mpankafy
na tsy hitanao aho dia te hifandray
mankasitraka re ny aty

tiako raha izaho no tafahaona aminao mivantana
na dia iray minitra monja
mba hitopa kely aminao ity foko feno onja
dia ho sambatra aho fa naharay diamondra ,....

Telecharger le parole
Izay hitako hahasambatra
Dia nomeko anao
Nefa izaho indray ity no toa lany zara
Fa tsy hitanao

Mitsiky ianao, miangoty koa
Fa amin-kafa indray
Ka toa zarainao ho an’olon-droa
Ilay fitia iray

Fa n’inona izay ataonao dia mahasaro-piaro ahy
F’izay mety ho mamy aminao aoka re mba ho ahy
Tsy tiako raha misy olon-kafa te-hisangy aminao
Aza omena tsiny aho satria tiako loatra ianao,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 4

Havako, Namako Diavolan-ko lava Tsy hirafy Fo Vato IANAREO ROA Tafahaona
Aza mihafahafa ry reto a
Tsy olon-kafa akory ny eto a
Fa izahay tsy lavitra anareo o
Havanareo aho

Na dia mbola tsy hitako ianao
Na izao ary aho vao mba hitanao
Efa mpihavana hatrizay isika e
Sy ny fontsika
N’inona n’inona izay mahavariana e
Tsy hifanariana,....

Telecharger le parole
Diavolan-ko lava re ry zalahy e
Kilalao mbola ho ela re ry zavavy e
Ka aza maika akory hoe hanambady e
Toy izay hamoafady
Mba saintsaino koa aloha ange fa dia mafy e
Raha toa ka ny vadinao mampirafy e
Eo ianao no raisina miafiafy e
Alahelo no mifafy

Tadidio kely aloha, e
Tsy ny tany no fady fa ny vavan’ny vahoaka
Na ny mpamosavy koa, e,...

Telecharger le parole
Raha tena an’ialahy tokoa ilay kala iny,
Raha nahatezitra an’ialahy koa izahay tamin’iny,
Izaho tsy nahay tsy nanam-po,kay izaho ity tiany ô ô
Izany anefa tsy tao an-doha,fa faniriany é mifona é ô

Inona no ifonan’ingahy hafa f’izao
Aza dia milefitra fa tsy tezitra aho
Zavatra tsy fantatr’ialahy,ny ahy kilalao ô ô
Fa raha iny an,manana ny tiako anie aho,...

Telecharger le parole
Tsy miova tsy afindra
Efa fo vato ny ahy
Na ny saina amam-panahy.

Ianao no tiako indrindra
Fa tsy mba nahasarika ahy
Ireo izay toa anao fa sahisahy.
Raha ny hasambarana
Sy fifaliana
Dia tsy nisy fa,...

Telecharger le parole
Fotoana maro teo ho eo
No niarahanareo ka fatra-piseho
Tena tsapa fa mamy ery
Ilay voaloham-pitia
Nampahafantatra ahy hatrany hatrany
Fa hoe tsisy hafa-tsy ianareo ihany
Ireo rehetra manodidina aza moa
Dia nahalala avokoa
Fa toa nofy izay ho leo
Taminareo
Ankehitriny fiainana malama maina,....

Telecharger le parole
Izaho mba mitady fitia vaovao
Izaho koa efa miandry pìmaso avy aminao
Mba manantena mafy ny hiaraka aminao
Ny aty moa vehivavy ka miandry no azo atao

Fa tafahaona izao isika, tafaray fa tena tia
Irina mba tsy hangatsiaka, ka enga anie mba ho doria

Toa be fakam-panahy ny fiainanay ety
Izaho tsy manahy, matoky ilay fitia
Raha sendra ka tomany fa mafy ny nanjo
Ilay fitia hatrany no fanafody soa,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 5

TSY HAIKO NY TSY HITIA Ventson'ny selibatera Ny hirako no namako Noely Mariazy Ray ô
Izay tia atao hoe adala
Fa ny olon-kendry miala
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy hitia anao
Hita izao fa hoe fahotana
Sy fandikana lalàna
Kanefa dia tsy ho haiko
Ny tsy hitia anao

Tahaka ny rano an’ony
Izay tsy maintsy hivarina
Any an-dranomasimbe
Toy izay koa tsy hay intsony
Ny hanohitra izay tendry
Tsy maintsy aleha
Koa raiso ny tanako
F’izay ombanao dia ombako
Satria tsy mety haiko
Ny tsy hitia anao,....

Telecharger le parole
Efa hariva ny andro tamin’ zay
Vitsivitsy no nandeha
Tovolahy araiky zay
Nandalo tanananay
Valizy hely lanjainy
Ainga hainkaiza izy zegny
Manano dia maika
Arahina hazakazaka
Nantsovako mba
Hanontaniako
Namaly izy miragna
Tsy afaka hijanona satria
Mbola ho lavitra ny dia
Ka niala tsiny hoe :
Azafady zalahy fa tsy afaka
Ny hiandry e
Ny ali-mikitroka teteziko
Zaho maika
Tsy anaro no tsy nampandroso
Zaho te ho tonga
Fa efa mandigny anah,...

Telecharger le parole
Ny hirako (ny namako) tsy hiranao (tsy namanao)
Izy dia ho ahy samirery
Izaho ihany no mahay mandray tsy lao
Mandray azy ka mandrevy
Ny foko dia efa novany

Ny fiainako toa lasa miankina aminy
Na ireo alahelo, na koa fifaliana
Ny fitiavako ny hirako
Toy ny fitiavana misento koa
Tsy ho kivy aho raha anilany
Fa dia omeny hery hampahery hatrany
Ahy izy

Oh oh oh oh, La, la, la

Kaloina mandrakariva
Indrinra koa rehefa tsy misy izay atao
Dia ny hirako no voalohany,...

Telecharger le parole
Rehefa tonga ny andro noely toy izao
Dia samy manao izay rehetra tiany atao
Ny te-hifaly manao izay efa tsy fanao
Ny anao kosa inona ny noelinao
Na manana na ory ianao

Noelinay diatsy miova hatrizay
Noelinay dia ny finoanay
Hideran’indray:ilay zanaky ny Ray
Hihobian’indray fa fetiny aminay
Teraka tety ilay Kristy,...

Telecharger le parole
Izaho sy ianao
Hatramin’izao
Mpifankatia hiara-dia
Faly tokoa
Tena ho toa
Ny fikasana izay niombonana
Andro vaovao
Ho ahy sy ho anao
Tsy hohadinoiko sanatria
Fa olon-droa
Hifanasoa
Hikambana ho ankohonana

Izao no tena hasambarantsika
Ka ny soa hitohy hatrany
Ireo adidy miandry antsika
Tsiky tsy tomany,....

Telecharger le parole
Ray ô atongilano ny sofinao
Ka mihainoa ahy,
Miangavy mitalaho,
Ô, eny mitaraina aminao.

Omeo ahy, omeo ahy
Ny fahendrena sy ny fahatsoram-po
Aza avelanao ho very izay
Kely mba anjarako.

Dia arovinao ny diako
Izay hoavy aminao
Fa eo anilanao no faniriako
Hatrizay ka hatrizao,
Ombao ny fitahianao
Mba tsy ho lavo Tompo ô,
Fa vonona hanompo anao
N’inona n’inona atao...,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 6

LASA ARY AHO Mbo tsara Mifalia fa malagasy Izaho mitia Aza dia omena tsiny Fantatro fa
Lasa ary aho f’ianao avelako eo
Ny ato koa toa efa mankaleo
Izay angamba no tadiavinao
Fa teritery lava, k’aleo mitady rivo-baovao

Efa ela loatra angamba izay no niaretako
Kitakita siaka mahamay no hany niainako
Nefa toa mba metimety ery ny an’ny hafa
‘zaho sy ianao raha mbola hanoy ny dia, toa hisy haratra

Na dia mbola tsisy fantatro ny any ambadika any
Masaka ao an-doha aloha izao aleo miala ihany
Ts’isy hanorisory anao intsony ny ato an-trano
‘zaho kosa raha azonao atao, mba tsofy rano,....

Telecharger le parole
Fa letr’izay zaho niainy teto
Tsy ambara zaho koa mbola eto
Tany nahazatra tiako ô! Tiako e!

Ny sanany manano tsy tia
Fa tompony donko sanatria
Tany nahazatra tiako ô! Tiako e!

Na misy olana na ts’isy olana e! e!
Tsy mampiova fitiavako izy e! e!
Mariny e!

Tsy atakaloko ny hafa
Taniko ’ty fo mbo tsara
Fiaviana eto tsy voafafa
Zaho manambara e ya,...

Telecharger le parole
Mifalia fa malagasy e!antsika roa lay e!
Mifalia fa malagasy e!antsika leroa
Miravoa fa gasy e!Antsika lahaby e!
mifalia fa gasy e!Zalahy

Miravoa fa malagasy e!atsiah
miravoa fa malagasy e!anao rakia e!!
Mifalia fa gasy e!
anao jako o!
Mifalia fa gasy e!lie e!

Lava raha hitanantara ny ratsy sy ny tsara fa io i Gasikara
ny anaranao tsy miova fa io no efa lova
K’ataovy soa
Misy anefa ambadika any reo zay tsy mba manantany
tsy anao anefa izany
Ino koa raha ilainao,...

Telecharger le parole
An an an!
Tsy tsapanao tokoa ny ato anatiko ato
Tsy haiko koa, tsy fantatro fa marary ahy ny aiko
Ianao efa nitia, efa tapitr’ohatra malalako ô
Izaho nitia nisento toa ... hummm ..!

Raha fotoana kely tsy maha eo anao
Toa very, malemy ka tsy hita izay atao
Mitady ilay fitia ho tonga eo no ho eo
Rahavako ô
Izaho akia, misento toa ... hummm ..!

Tiako ianao, Tiako loatra ianao mba ho fiainako
Adala ve aho raha toa mitia tahaka izao
Eny tokoa, ianao no fanafodiko,...

Telecharger le parole
Aza dia omena tsiny aho
Raha toa tsy lafatra
Hatramin’izay, hatramin’izao aho
Miezaka foana, foana aho
Mbola osa aho
Efa reraka aho
Nanao ny azo atao
Fa mahantra ve aho ka halanao

Aza dia omena tsiny aho
Raha tsy manaitra anao
Hatramin’izay, hatramin’izao aho
Dia ianao foana foana
Fa ratsy akanjo aho
Miboridana aho
Na inona atao
Fa maloto aho ve ka halanao

Ô ry iseako, ô ry lalako ô!
Izay ny aty!
Ô ry kintana, ô ry volana ô!
Midina ety!
Ary hoy aho hoe mba ampio aho akia
Amin’izay izaho sy ianao samy tia!,....

Telecharger le parole
Fantatro fa tena halanao maizina aho
Sady nankalazainao re irony akony
Tsy maninona fa ataovy hoe efa resinao
Na tsy fantatro izay tena antony

Haiko fa marary mafy ny fonao
Ka irinao mihitsy hatramin’ny hahafaty ahy
Raha maty aho angamba handihizanao
Ka ny fasako no ataonao kilalao

Aza ory, mahita tory
Fa izaho anie ka tsinontsinona akory
Ny fisiako ve no ataonao hanahirana
Ka ny tenanao no avy ampijaliana
Na izany aza,,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 7

Mbola ianao Hiara-dia Meteza ianao METEZA HAHATSIARO Mifohaza Ranomasina
Tiako sady sarobidy ho ahy
Ny fitiavana nasehonao
Foana sy nisinda ny ahiahy
Fa efa eo ianao
Toky sy hery ho ahy (tokoa)

Tsy mba nanampiovana ianao
Matotra tamin’izay natao
Namana azo antoka tokoa ianao
Fifaliako koa
Sakaiza tsy mba mandao
Ieieee ...

Faly aho
Fa hatramin’izao ianao dia mbola ianao
Tretrika aho
Notanterahinao izay tiako atao
Sambatra aho
Tsy mba nisy izay fanitsahanao ahy
Misaotra anao ... ô!,....

Telecharger le parole
Aza asiana ahiahy
Ny fihestik’ireo tsy tia
Te handrava ilay fitia, izay kasaina ho doria
Na izaho sy ianao, dia sanatria ny hifandao
Tsy hisy intsony ahasakana, fa hitohy hatrany am-pasana
Hiara-dia, hiray saina, hiray fo
Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa
Hiara-dia, hifanampy, hifanasoa, hifandefitra tokoa
Tsy hifanao an-dolom-po....

Ary izaho sy ianao
Dia toy ny olona iray
Fo iray vaovao hitempo mandrakizay
Hiara-dia, hiray saina, hiray fo
Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa
Hiara-dia mandrakizay
Hiara-dia mandrakizay,...

Telecharger le parole
Meteza ianao hahatsiaro
Na ny andro lasa efa maro...
Tsaroanao ve ilay fiarahantsika,
Tsaroanao ve ilay hasambarantsika...
Meteza ianao hahatsiaro
Na ny andro lasa efa maro.

Tadidinao ve ireny hadalana ireny,
Tena tianao ve ny nataoko anao tamin’ireny ?
Na izaho na ianao, dia nety izay natao.

Indray andro tokoa moa
No sendra nahitako dolan’olondroa
Hay rafiko sy ianao
Ny foko tamin’izay voaratranao
Diso ianao, nahatonga ilay fo hifandao.,...

Telecharger le parole
Meteza ianao hahatsiaro
Na ny andro lasa efa maro

Tsaroanao ve ilay fiarahantsika
Tsaroanao ve ilay hasambarantsika
Meteza ianao hahatsiaro
Na ny andro lasa efa maro
Tadidinao ve ireny hadalana ireny
Tena tianao ve ny nataoko anao tamin’ireny
Na izaho na ianao
Dia nety izay natao
Indray andro tokoa moa
No sendra nahitako dolan’olon-droa
Hay rafiko sy ianao
Ny foko tamin’izay voaratranao
Diso ianao nahatonga ilay
Fo hifandao,...

Telecharger le parole
‘zay matoritory mifohaza amin’izay e ô!yô!yô!
‘zay varimbariana mihetseha amin’izay e ô!yô!yô!
Raha miraikiraiky ianao, ambadik’I Sahondra ianao
Mihanahana ianao, ilaozan’ny omby miahaka!

Mba tairotairo amin’izay sao dia tara e!ya !
Mihetsiketseha mba tsy ho lany zara ô!ya!e!
Ny saina amam-batana tsy hisalasala e! ya!
Asio ambiance mafanafana tsara ô!ya!e!

E!ya!e!
Aza miandry ny hafa tsy hanao
ôh! ôh! Aiza atsika e!
ôh! ôh! Aiza aky e!
ôh! ôh! Akory drako!
ôh! ôh! Aia manafo!
ôh! ôh! Hanovo soa ko nanareo njaralahy ‘reo
ôh! ôh! Minotsiky io,....

Telecharger le parole
Ny Ranomasina, tsy foiko
Mahalalina fitia
Ny taratrao miloko
toa nofy riariha
tsy foiko ianao, tsy foiko ianao, tsy foiko

Ny onjanao mitopa, manako
mameno ty foko efa an’olon’iray
ianao no nahalalako
hitia zay olon’izay
tsy foiko ianao, tsy foiko ianao, tsy foiko...

REFRAIN
ianao tena paradisa
tena hasambarana ianao
tsy haiko ny hitanisa
ny hery hanananao
tsy mety koa ny saina
te hahita anao foana
tsy tsaroana intsony izay fotoana
foana......
hisaorako ilay nahary anao,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 8

Naditry Ny fitiavako anao Zara Tsiaro anao Fetinao androany Fitia tsy mety diso
Nambela niboaka maraindrainy
Nazoto tsara fa tsy naleny
Hitsangatsangana hamangy havana
Nambembesako folak’andro
Tsy nody izy koa fa tsy alin’andro
Sady hafahafa fitantarana
Teo i mama mba nanontany
nanontany anao aia tagny ombany
anao nefa nivolagna fa tagny
Zaho tsy tia mamara fatany
Fa hitako raha natonao niany
Zaho tsy nahavolana ny hafarany

aa tiako o!
Raha nanigno loatra
ino raha nahazo anao nivadika amnaka
aa tiako o!Raha nanino loatra ino raha tsy ampy anao
fa zaho lany fanahy,....

Telecharger le parole
(Tsy hitako intsony izay ataoko anao fa dia..
Tsy haiko e ...! )

Mahatsiaro anao
Malahelo anao
Manina anao
Mieritreritra anao isan’andro
Natsahako ny saina
Hatramin’ny efa tsy ilaina
Sakanana foana
Fa miseho foana ny amintsika

Tsy fitiavana tokoa raha tsy izao
Tsy azo ataoko hoe kilalao
Izay tena mafonja
Izay tena marina indrindra
Ary ho vanona

Eny
tsy misy resaka hafa afatsy izany aho
Satria tiako ianao, tiako foana foana
Tsy fitiavana tokoa raha tsy izao ...,...

Telecharger le parole
Zara!
Fantatro ianao!
Zara!
Mazava ny fihetsikao
Zara
Anaty masonao
Hitako fa tia ahy ianao!

Zara!
Lavitra anao zaho
Zara!
Zaho tia anao (zaho aty Tanà)
Zara!
Any ambanivohitra any
Inona moa no hanakana ahy

Ianao ’ty toa
Miahotrahotra
Kanefa izaho tsy mampatahotra
F’izaho sy ianao mety hiaraka ihany
Ka ataoko fanao ny midina any (aminareo any)

Omano ny katsaka, mangahazo fa ho avy aho Zara
Arahiko fitiavana mamy be dia hozaraiko tsara
Hatramin’ny tanety sy havoana dia antsika ry Zara
K’aleo hitomany eo avokoa izay te handrara.,...

Telecharger le parole
Mahatsiaro anao foana aho
Ry ilay tiako lavitra ahy
Ny ato ampoko toa misaona,
Lasa saina mahatsiahy.

Mahatsiaro anao foana aho
Ry tsy foiko sy lalaiko
Mba maniry ny hihaona
Aminao ry sombinaiko

Fiv: Mba satriko e! ny hitoetra anilanao
Hamihina anao raha azo atao
Hankamamy ilay fitia, ilay fitia,
Tiako mba haharitra doria !

Nefa indrisy nofy izany,
Eritreritro ihany
Ry tsy foiko lavitra any
Mba iantrao ’ty fo tomany ,...

Telecharger le parole
’Zao indray no iarahabako anao
Mitsingerina androany ny nahaterahanao
Mitsikia sy mifalia sy miravoa
Fa ny anio dia andro soa tokoa

Ny hafalianao hafaliako ihany koa
Ny hasambaranao no tena hasambarako tokoa
Ho tanteraka tokoa izany anio
Ny ato antsaina ny fo madio

Izaho anefa tsy mahatakatra
Zavatsarobidy fatratra
Fa ny atolotro izao dia ny hira ho anao

fiv:
Arahabaina fa tratry ny fetinao
Arahaba ka manoroka anao
Mba ho lava andro iainana ety
Hiaraka eto foana sy hifankatia.,....

Telecharger le parole
Tsy hay tohaina ny andro nifandimby
Ao an-tsaina ny vita sy finidy
Ny lalana malalaka na ety
Nizoranay na tsara na tsy nety
Raha ny natao sy nekena
No itodihana jerena
Dia iriko azo ahitsy
Hikatsahako ny TSIKY

Fiv: Izao rehetra izao raha azoko natao
Iriko mba hiova
Na fahadisoana sy loza
Fa nekeko tsy ho diso izay efa niriko
Ny fitia nokoloiko tato ampoko.

Tsy hay tohaina ny andro nifandimby
Ao an-tsaina ny vita sy finidy
Ny lalana malalaka na ety
Nizoranay na tsara na tsy nety
Raha ny natao sy nekena
No itodihana, jerena
Dia inoako azo ahitsy
Hikatsahako ny TSIKY,...

Telecharger le parole

NJAKATIANA PARTIE 9

Miangavy farany Izao no izy
Mandà be ny saiko
Tsy tony ny foko
Tsy tsapako akory
ity maso tsy mahita tory
Fa ianao foana no sary mameno, mibahana ao an-doha
Aza ilaozana izany ho'aho 'zaho fa tena voa,
voa tokoa

Dia ataoko ahoana
ny halahelo foana ?
Ny saiko tsy mino
hoe ny tenako hahavita hanadino.
Mora aminao tokoa ny milaza hoe "'ndao hisaraka"
Aza ilaozana izany ho'aho izaho fa
tia anao fatratra.

-FIVERENANA-

Ireo efa vita
dia odianao tsy hita
Ny aok'izay foana no asesikao fa dia nahoana ?
Tsy fantatrao fa io dia tantara tsy ho faty rahatr'izay !
Aza ilaozana izany ho'aho izaho fa
ratra mahamay,....

Telecharger le parole
IZAO NO IZY
Tsy nampoizinao ny androany
Gaga kely angamba ianao
Hoe nisy fahamatorany ihany
Izao izaho milaza aminao
Izao re no izy tiako ianao
Tsy fahatokiana ahy angamba tsisy
Fa raha ianao, ianao mihitsy ianao
Mitsiriritra aho hatram'izao

Namana tsotra tokoa
Ny fiarahana hatram'izay
Hataoko fa tsy sarotra koa
Raha mba fitiavana indray
Ka izao re no izy tiako ianao
Tsy fahatokiana ahy angamba tsisy
Fa raha ianao, ianao mihitsy ianao
Mitsiriritra aho hatram'izao

Efa ela anie no efa naniriko anao
Sady izaho ange tsy te hamitaka anao
Izay ampanantenaiko re foiko ho anao ho anao
Fa raha izay tahotrao ve? izaho tsy hanimba anao ,...

Telecharger le parole

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire