AMBONDRONA

AMBONDRONA PARTIE 1

Eo foana Fito andro Aza omena tsiny MIANDRY AHO Maty aho... Eny sa tsia
Impiry moa,no nolazaina ianao
Mba hiteny aloha,vao manao ny atao
Avy eo mitanondri-dava,toy ireny resy lava
Tsy sahy mitaraina,hita rera-tsaina

Tsy teo ve aho,ka nahatsiaro irery ianao
Sa aleonao irery,amin'zay tsy miera...

Telecharger le parole
Fito andro
Nisaiko ireo fotoana izay efa nandalo
Izany koa f'iny ianao any ho any
Herinandro izay fito andro androany


Alatsinainy ianao niandry ahy mba handalo
Tsy tonga aho talata anefa ny andro
Alarobia tontolo tezitra angaha...

Telecharger le parole
azafady aza tsiny
ireo fihetsiko indraindray,
hifonako aminao raha azo atao na hehy, fiteny eny na fijery,
nanenenako avokoa ireo ivelany ihany fotsiny ireny,
tsy avy ao am-po sanatria ary averiko ombieny ombieny
azafady aza tsiny
hiezaka aho mba ho fantatrao
ka aza tsiny tsy fanahy inina
mba ho gaga ianao refa any aorina

Telecharger le parole
MIANDRY AHO
Niantso aho nitady anao
Niherika nitoditodika
Maizina hody @zay efa ande reo olona maro be
Nikaroka aho manahy sao efa lasa ianao
Miandry koa tony ny fo
SAo mba izaho no tonga aloha
REF/Saika hitsena aho
Mba nanantena aho...

Telecharger le parole
Maty aho,tena maty be mihitsy ho aho zaho
Raha vao nahita anao
Hoatry ny hipoaka mihitsy ny foko
Nitia anao an-tsokotsoko;ie!

Teny andro,nandeha koa ny fotoana
Nifankahita ihany izaho sy ianao
Toa vao maika nampirehitra ny aiko
Ny fahitako anao iny matetika isan'andro...

Telecharger le parole
Hey, mba andraso kely ange
Te hilaza aminao aho hoe:
"Maika ve ianao?!"

Hey, vetivety fa tsy ela be
Ts'izany mantsy fa te handre
Lay valiny aho

Namaly ianao hoe (sady toa nihomehy)
"Aza mananihany ianao" (Fa lany fotoana aho)
Ka andraso kely hoy aho,
Fa diso ianao (fa diso ianao)
Ka mba valio aho...

Telecharger le parole

AMBONDRONA PARTIE 2

Ajanony Tohizo ihany Tena fitia Variana Taiza moa Ilay tanana
Ajanony any raha toy izany foana,
Ajanony any fa mandany fotoana,
Vao may mati-kambo,sy mampidingin-drambo,
Ajanony any samy miala!

Marary ny aina andeha hamitra-pihavanana indray,
Tsy mandry ny saina nefa tsy diso akory zany izahay
Ampanetre-tena sy ampanajana koa,
Aleo hono miala tsiny fa ny mpamosavy no to fo,...

Telecharger le parole
Miezaha mafy foana
Hahatratra ireo tanjona
Manà na herin-tsaina
Manà na herim-po
Ny là lana hodiavina
Mbola ho lavitra
Mihasarotra koa

Na teo aza izay manao ratsy fanahy
Mivavaha aloha
Mijoroa (x2)...

Telecharger le parole
Sambatra aho fa teo anilako ianao nanohana ahy
Na ara-tsaina, ireo fiainana rehetra
Mankasitraka aho
Tohina aho, faly aho

Mbola nampiana fitiavan'olon-tiana izay efa nirina
Feno be ny foko sy ny fanahy
Tsy misy ahiahy
Tohina aho, faly aho...

Telecharger le parole
Vonona aho
Hilaza izay mba alaheloko
Noho ireo namanao
Tezitra aho (2)
Nakatonao avokoa ny varavarana
Matahotra ny marina anganha

Diso ‘ngaha aho raha ilaza aminao
Sanatria aloha hoe hanao am-po
Ireo ve no tianao kokoa ?...

Telecharger le parole
Hitako ianao omaly hariva
Nandehandeha
Saika mba hanatona anao aho hiteny oe
Tadidiko indray andro izay
Efa nihaona isika tamin'ny toeran'iray

Niahotra aho ny ho eny
Menatra angamba
Tsy sahiko indray ny hiteny oe
Manahy aho sao tsy ho tadidinao
Na izaho aza moa tsy mahalala ny anaranao...

Telecharger le parole
Ilay toerana taloha nahitana ny hatanorana
Fonenana fahiny nandalovan'ny fahazazana
Toeran'ny fahendrena, ilay toeran'ny hadalana
Nahitana ny mangidy sy nahitana ny mamy
Nilalaovana fahiny
Raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia
Taty aoriana, ary ankehitriny

Tsy inona ary izany fa ilay tanana
Atolotray ity vazo ho an'ireo akama
Sy ho an'ireo izay hiaraka aminay...

Telecharger le parole

AMBONDRONA PARTIE 3

Mahagaga Ngôma Misy fetra Aza tsiny Fito andro Olom-banona
Ireo fotoana niainantsika toa zary nofy ihany
Mijery anao toa mangatsiaka
Izaho koa manontany
Mbola misy ihany ve fitiavana mitoetra
Sa adinonano ve izay natao rehetra

Mahagaga ahy ianao toa tsy hita intsony
Fa dia lasa nandao
Tsy nilaza akory
Nefa izao mbola tia
Tsy haiko intsony ny atao
Miverena
Foana ny toeranao,...

Telecharger le parole
Ngôma, ngômangôma anao zaho
Ngôma, mahatsiarotsiaro anao
Ngôma, ngômangôma anao zaho
Ngôma, mahatsiarotsiaro anao
Akory atao (x2)

Iny fa lasa ianao
Lasa ka nandao
Any ianao tsy hiverina intsony
Ka izaho irery sisa
No hany mitanisa
Ireo tantara rehetra vitanay...

Telecharger le parole
Hatramin’izay toa nangina foana aho
Nandefitra, tsy mba namaly anao
Matetika aho no milaza fa tiako ianao
Nefa indraindray toa araraotinao

Ho ahy sy ho anao
No nandeferako hatramin’izao
Fa tsy hoe sanantria tsy sahy aho...

Telecharger le parole
Ireo fihetsiko inndraindray
Ifonako aminao raha azo atao
Mahery fijery, eny na fiteny
Nanenenako avokoa ireny

Ivelany ihany fotsiny ireny
Tsy avy ao am-po sanatria
Ary averiko ombieny ombieny
Azafady aza tsiny...

Telecharger le parole
Nisaiko ireo andro 'zay nandalo
asa ianao koa raha toy izany
fito andro izay alahady androany

alatsinainy ianao niandry ahy mba handalo
tsy tonga aho talata anefa ny andro
alarobia tontolo tezitra angaha ah ...

Telecharger le parole
Fa angaha rehefa zandry
Tsy mba manana sandry
Fa angaha rehefa tsy miteny dia atao tsindry hazo lena
Satria kely ny tena

Ny ankizy indray
No mahatsiaro mahamay
Ry zoky, ry ray aman-dreny mba henoy izy ireny
Ny zony omena...

Telecharger le parole

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire