Kalon'ny Fahiny

Kalon'ny Fahiny

Justin RAJORO
TSOFIKO RANO RAFARANIAINA
Tsofiko rano(basse)
Tsofiko rano Rafaraniaina
Hahatontosa ny zavatra ilaina
Tsy hisy hisakana itony fitia
Satria ianareo efa vita sonia

Ny angolam-pitiavanareo hamafiso(basse/bis)
Fa ny fanantenana efa diso (bis)
Ry velona koa ny eto anie ngirifiry
Ny adidy aminao ambolen-tsy maniry

Fa ny ahiahy razandry atsaharo (bis)
Ianao sy ny tiana efa vita mpiaro (bis)

Ny adidin-dRamialy efa tapitra teo (vehivavy)
Na soa na ratsy inty ny havanareo

Na soa anie na ho ratsy(miaraka)
Ento fa havanareo

HAHERY VA RE ILAY ANKASO

Hahery va re ilay ankaso?
Ry fo mitaraina ô andraso!
Ny didin’ ilay fitsaràna,
Ny herin’ ilay fitondrana!

Ry rariny ô! ampio
Fa farany ê! anio
Ka hatony izao
Fa miandrandra anao

Ny ranomasina manonja
Moa ve dia tsy hitony
Sao vetivety monja
Dia tsy hitopa intsony

Tsy mba misy tsy ho diso

Tsy mba misy tsy ho diso
Fa izay mikiry no adala
Ny fitia no hamafiso
Tano mafy tsy hiala
Aoka re tsy ho kirina
Raha toa anarin’olon-tiana
Mibaboha lalandava
Mba ho miramiran-tava

Raha miteny Ndrematoa
Aoka hihaino Ramatoa
Raha mananatra Rafotsy
Aza dia mamotsifotsy

Harivan'ny volan-tantely

Harivan’ ny volan-tantely
Ilay mahatsara vahiny
Somary manao alin-kely
Izany andro dia tsy misy tsiny

Mamiratra re ny fitia
Tomaratra fa vaovao
Hiaraka, hiriaria
Finaritra fa milalao, ô

Fiainana kindrindriana
Mitrotro ny saribakoly
Finaritra fa samy variana
Mibango ny volo, ilay volony oly

Harivan’ ny volan-tantely
Ilay mahatsara vahiny
Somary manao alin-kely
Izany andro dia tsy misy tsiny

E diavolana

e diavolana, diavolana re ny andro,
fa ny vadin-dramiaramila arahim-basy lava o!

e diavolana, diavolana re ny andro,
fa ny vadin-dRasôrodany, miloloha varilava o!

e diavolana re ny andro, e diavolana ny andro,
ny vadin-dRakapiteny, mifehy vatsy lava!

asampino tsy miandry baiko, ny havanana mba ahitsio,
ambony, ambany, havia, havanana!

makotrena, ahitsano zareo,
farano amin’ ny zôvy rahavana,
zôvy, zôvy! zôvy, zôvy!
zôvy rahavana!

1 commentaire: